<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>651</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Jeso ampio izahay mba
 handresy !
 Ny fahavalo mamely anay !
 Indro, ny aizina tsy mbola
 resy ;
 Ary Satana mamandrika anay,
 Ka mba omeo anay ny
 mazava,
 Hampahasahy anay lalandava.

[V2]
 Jeso ampio izahay mba
 handresy !
 Kely finoana re izahay ;
 Kivy matetika, mila ho resy ;
 Aoka ny herinao homba anay ;
 Dia hatoky izahay,
 ry Mpandresy
 Fa ny devoly dia ho voasesy.

[V3]
 O, ry Mpandresy, arovy
 ny ainay !
 Ady mafy hiseho izao ;
 Ka mba tohany hatoky
 ny fonay !
 Dia hiainga hanaraka Anao ;
 Na dia loza ny herin-tSatana,
 Sahy izahay, Hianao no
 mitana.

[V4]
 Ampandreseo izahay,
 ry Mpamonjy !
 Ka raha vita ny ady atý,
 Dia ho isan'izay voavonjy,
 Ary ho faly sy tretrika erý ;
 Tsy mba hitsahatra intsony
 ny hoby
 Hankalazana Anao,
 ry Mpamonjy.</lyrics>
<title>Jeso, ampio izahay mba handresy FFPM651</title>
</song>